Actualités

Nofo mangatsiakan’i Marthe Hervée Ho tonga anio tolakandro eto an-tanindrazana


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Anio alakamisy 27 desambra folakandro no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato ny nofomangatsiakan’Itompokovavy Marthe Hervée filoha mpanorina ny sekoly tsy miankina IMH sy ny Radio Vaovao Mahasoa na ny RVM.

 

 

 

 

 Eny amin’ny IMH Ankasina no andrasana ny razana aorian’izay, fotoana haharitra hatramin’ny alahady 29 desambra folakandro  ho avy izao. Amin’io andro io ihany no hatao veloma farany ao amin’ny FJKM Ankadivoribe ny nofo mangatsiakany mialoha ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany Ankadivoribe ihany. 65 taona Itompokovavy Marthe Hervée  izao nindaosin’ny fahafatesana izao.  Fandidiana faran’izay haingana no nitondrana azy tany amin’ny Nosy rahavavy Maorisy ny alarobia 19 desambra lasa teo izay efa nangatahiny tolo-tanana tamin’ireo tsara sitrapo sy mpihaino azy ao amin’ny Radio Vaovao Mahasoa. Indrisy anefa fa tsy tana ny ainy na dia efa ny 2/3-n’ny vola nilaina aza no voangona. Izy no anisan’ireo mpanompovavin’Andriamanitra faharoa goavana namoy ny ainy tamin’ity volana desambra taona 2018 ity.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT