Ny marainan’ny alarobia teo, tamin’ny dimy ora, dahalo 11 lahy nirongo basim-borona sy fitaovam-piadina hafa no nanafika tao amin’ny tanŕnan’i Mahabo ao anatin’ny Kaominina Ambalasoa.
Omby 21 tao anatina valan’ombina tokantrano telo no najifa, ary mbola notampenan’ireo dahalo avy aty ivelany ihany koa ny varavaramben’ireto trano ireto, nodorany avy eo. Renim-pianakaviana iray tsy afa-nanavotra ny ainy may kila hotohoton’ny afo lasa lavenona niaraka tamin’ireo entana rehetra tavela tao an-trano.
Mpanara-dia roa, naratra mafy voatifitra
Nihorohoro tsy nisy sahy nivoaka ny tranony ny fokonolona teo an-tanàna raha vao nahare ny feom-basy niferodrefotra niaraka tamin’ny tsoka kiririoka tsy nifandrenesana. Dify ireo dahalo, niroso tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny zandary avy eo ireo vatan-dehilahy matanjaka teo an-tanàna. Nifankatratra tao Kelivao ny roa tonta ka raikitra ny fifandonana mahery vaika. Mpanara-dia roa no naratra mafy voatifitra ary latsaka avokoa ny omby rehetra teny am-pelatanan’ny malaso, izay efa tafaverina amin’ny tompony avokoa, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Midika izany fa tsy mbola Tonga Saina ireo Kotro ao Betroka, raha efa dimy arivo latsaka kely ireo Dahalo Niova Fo any amin’ny distrikan’i Amboasary Atsimo amin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.