Nivoaka tamin’ny fahanginany ilay mpanao gazetin’ny Madagate,
Harilala Randrianarison, izay niharan’ny famoteham-pitaovam-piasana teo am-perinasa raha naka sary ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fifandraisana teo aloha, Nivo Ratiarison, taorian’ny fivoahany ny lapan’ny fitsarana Anosy ny 12 aprily teo. Mahagaga ahy, hoy izy, fa naheno aho hoe narary nalaina avy any amin’ny hopitaly Befelatanana ity talen’ny minisitera teo aloha ity no namonjy ny lapan’ny fitsarana kanefa dia nahavita nanenjika ahy manerana ny fiantsonam-piara tao amin’ny lapa izy mirahalahy. Amin’izao fotoana moa dia karohana ny rahalahiny izay mitondra ny anarana hoe Hanitra Ratiarison satria izy io no nitarika ny fipehana ny fakantsariko vao nanaraka ka naha somary voafelaka tehamaina ahy ny tale teo aloha, Nivo Ratiarison. Mety amin’ny maha mpanao gazety azy, izay heverina fa mba tokony hampita traikefa aminay zandry aty aoriana ve ireny fihetsika ireny ? Ny vava nataony izay nilaza fa rehefa tsy faly dia mandehana mitory no nahatonga ahy hitory satria 400 tapitrisa ariary ve no nahodiny kanefa dia 80 tapitrisa fotsiny no onitra halaina aminy ? Tsy ampy azy koa angamba ny 5 taona satria hatramin’ny 20 taona raha ny fahafantarako azy no sazy voatokana ho an’ny resaka fanodinkodinam-bolam-panjakana toy itony ka dia mahatoky ny fahendren’ny fitsarana, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.