Actualités

Nivo Ratiarison Nalain’ny Bianco am-bavany omaly


  • Alarobia 28 Septambra 2016

Voaantso teny amin’ny « Villa la Piscine » Ambohibao i Nivo Ratiarison omaly talata 27 septambra 2016.

Nisy ny fakana am-bavany azy, nataon’ny Birao mahaleotena momba ny ady amin’ny kolikoly. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana dia voasaringotra amina fanodinkodinam-bola teo anivon’ny Televiziona Malagasy ingahy Talen’ny kabinetran’ny minisitry ny filazam-baovao sy ny serasera ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana. Olona roa izy ireo no nalaina am-bavany omaly. Ankoatra azy dia nisy Sekretera iray eo anivon’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny fahitalavi-panjakana ihany koa. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia mety mbola hiitatra ny fakana am-bavany fa savaranonando ihany ny omaly. Roa herinandro lasa izay efa nifamahofaho ny resaka, niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera « facebook » fa notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy, vaovao izay nodisoiny, fa tsaho fotsiny ihany. Nanako teny amin’ny minisitera teny Nanisana ny raharaha, ary voaresaka nandritra ny fananganan-tsaina tamin’ny alatsinainy heriny aza. Tonga eny amin’ny Bianco ny raharaha ankehitriny, ka ho hita eo ny tohiny. Ny governemanta Mahafaly Olivier rahateo raha vao nijoro, dia nanambara ho ren-tany ren-danitra fa hiady amin’ny kolikoly, izay anisan’ny mampahantra ny firenena.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT