Actualités

Niverina indray ny delestazy ao Toliara Manjaka ny jiolahy, mameno tanŕna ny fako


  • Talata 21 Oktobra 2014

Miaina ao anaty haizina indray ny tanŕnan’i Toliara nanomboka ny zoma teo, nifanandrify indrindra tamin’ny valandresaka famoriam-bahoaka nitondran’ny minisitra Maharante, notronina depiote telo, nanazavan’izy ireo ny toe-draharaha misy amin’izao, tao amin’ny « Espace Pčre Barré » Sanfily, no nanomboka tapaka ny jiro ka niverina indray ny delestazy. Nahagaga ny vahoaka izany, sao dia tetika tsy ahafahan’ny olom-pirenena indray manara-baovao amin’izao toe-draharaha mafampana lalovan’ny firenena izao, taorian’ny fiverenan’ny filoha teo aloha an-tanindrazany.

Lasibatra vahoaka

 

« Ahiahy tsy hihavanana », hoy ny vahoaka mimenomenona leom-boan’anana amin’ny fampanantenana poak’aty. Tsindriana etoana fa amin’izao ora anoratanay izao (9 ora sy sasany) vao niverina ny herinaratry ny Jirama, raha tapaka nanomboka ny misasak’alin’ny zoma hifoha asabotsy. Ny rehetra no lasibatra sy fatiantoka amin’ity fahatampahan-jiro lava ity, izay miaina ao anaty tebiteby sy horohoro saika isan’andro noho ny firongatry ny asan-jiolahy mitam-piadiana sy ny asa ratsy isan-karazany.

 

Ahiana ny valanaretina

 

Tsy ny herinaratry ny Jirama ihany no mampikolay ny vahoaka fa ny fako miavosa etsy sy eroa mitombaka mameno tanàna sy arabe. Amam-bolany maro, betsaka ny mitaraina miaina ao anaty fako manempotra tsy voataona intsony, na dia miezaka amin’ny fandraofana aza ny kaominina. Ny any vahaolana hita, dorana fako miavosa, ka zary manempotra sy mandoto ny manodidina indray. Manampy trotraka amin’ny fiparitahan’ny loto eran’ny lalana ihany koa amin’izao fahavaratra izao, ny vokatry ny ora-mikinja ny sabotsy teo. Dobodrano ny toerana iva, ahiana indray ny hiparitahan’ny valanaretina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT