Enin-taona taorian’ny fandrobana sy ny fandorana ny orinasa Tiko sy ny Magro, tsy mbola milaminana ny fanonerana ny fananan’Atoa Marc Ravalomanana izay niharan’izany.
Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana politika sy ny Tondrozotra izay efa navadika ho lalàna eto amin’ny firenena anefa ny fanonerana ireo fananany lasibatra tamin’ny 2009 iny. Efa matetika ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nanao antso avo sy nampahatsiahy izany tamin’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena saingy tsy mbola nisy valiny hatreto. Nandritra ny fitsidihana nataony teny amin’ny Magro Tanjombato ny 26 janoary 2016, dia nanao antso niantefa tamin’ireo naka ny fananany nanararaotra iny fanonganam-panjakana iny ny tenany mba hamerina an-kitsim-po ireo fananany norobaina ny tenany. Nisy ireo namerina tamin’ny nahimpony, indrindra ny fiara ary tao ny tratran’ny fanerena avy amin’ny Fitsarana ka fiara lehibe miisa 14 no efa tafaverina, mitoby eny Tanjombato amin’izao. Mbola misy, ary maro anefa no tsy tafaverina, indrindra ireo nisy nivarotra. Mahakasika ity farany dia fantatra izao fa karohina fatratra ny jeneraly iray efa misotro ronono voalaza fa nivarotra ny fananan’Atoa Marc Ravalomanana. Voarohirohy ho nanao tantely afa-drakotra ireo fiara ireo ity manamboninahitra ity ka izay no antony hanenjehana azy. Raha tsiahivina dia vao ny 30 aogositra teo Atoa Marc Ravalomanana no nanamafy fa tsy hipetra-potsiny mahakasika ny famerenana ny fananany ka tafiditra ao anatin’izany ity raharaha ity. Voakasik’izany ihany koa ny tany nisy ny tranombarotra Magro tetsy Ankorondrano ifandroritany amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antananarivo sy ny tany saika hananganana orinasa mpamokatra sakafom-biby etsy Andohatapenaka, kasain’i Rivo Rakotovao, faha minisitry ny fanajariana ny tany hanorenana Toby fiantsonan’ny fiarakodia. Raha ny loharanom-baovao re farany mikasika ity etsy Andohatapenaka ity, dia nampindramin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny Fanjakana, hampiasaina amin’ny fampiantranoana ny Frankôfônia hatao eto Madagasikara amin’ny volana novambra 2016 ny tany. Tafiditra amin’ny drafitrasan’Atoa Marc Ravalomanana amin’ny famelomanana indray ireo orinasa toy ny Tiko sy ireo rantsna niaraka taminy, ny famerenana ireo fananany ireo. Asa an’aliny no haterak’izany ka izay no mahamaika ity Filoha teo aloha ity, izay tsy mitsahatra mikaro-bahaolana ho fanampiana ny Malagasy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.