Mananontanona indray ny fitokonan’ny SECES (sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra).
Anton’izany ny tsy fahatanterahan’ny mpitondra ny fifanarahana efa nifanaovan’ny fanjakana sonia tamin’ny alalan’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo sy ny SECES ny 10 septambra 2015. Nifanarahana tamin’izany ny handoavana ny “Indemnité de résidence”, “indemnité de logement”, indemnité des risques”, saingy tsy mbola tanteraka hatramin’izao ka anaovan’ny SECES fanairana ary mety hiafara amin’ny fitokonana. Mety hiato indray ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo noho izao fanaovan’ny fanjakana tsinontsinona ny mpampianatra izao. Vao tsy ela akory ity sendika ity no nanao fanairana manoloana tsy fisian’ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana, toy ny resa-bola hampiasaina amin’ny frankofonia izay manjavozavo tanteraka. Maro ny olana mila vahana eto amin’ny firenena toy ny olan’ny mpanabe sy ny mpampianatra mpikaroka. Resabe fotsiny eto amintsika ny fampandrosoana ny firenena. Ny fanabeazana sy ny fampianarana aza toa atao ambanin-javatra !
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.