Nitohana be ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7 iny omaly.
Ny antony dia nihitsoka teo ambany tetezana Amboanjobe, manoloana ny vavahadin’ny hotely « Resto Gasy” ny fiarabe nitondra milina mpihary herinaratry ny Jirama, nalaina avy eny Antanandrano hafindra any Behenjy.
Avo loatra mihoatra ny fetra voatondro, ny milina nobaben’ilay fiarabe ka nidona tamin’ny tetezana. Misoratra mivandravandra eo amin’ny fototr’ilay tetezana fa 4,5m no fetra haavo afaka mandalo ao ambany tetezana. Tsy voahaja izany matoa nihitsoka ilay fiarabe. Tokony ho efa fantatry ny Fanjakana mialoha anefa izany, vao nohetsehina ilay milina.
Voaporofo teto indray fa tsy misy governemanta miasa izany eto. Aiza ilay hoe : “Gouverner c’est prévoir” ? Fiarovan-tseza no manahirana ny sasany, hany ka ny vahoaka no mizaka ny vokany amin’ny tsy fahaiza-miasa. Sa nanantena “miracle” rehefa nandalo teny ? Fatiantoka iray lavaka ho an’ireo namonjy fotoana, satria dia nitandavana am-polony kilaometatra ny fitohanan’ny fiarakodia avy any atsimo omaly. Tsy lazaina intsony ny nahazo ireo marary nila famindran-toerana maika taty an-drenivohitra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.