Raim-pianakaviana sahabo eo amin'ny 60 taona no maty tampoka ny sabotsy 19 oktobra tamin'ny sivy ora maraina teo amin'ny kihon-dalana iray ao amin'ny fokontany Avaradrova avaratra kaominina ambonivohitra ambatondrazaka.
Olona sahirana ara-pivelomana izy ary mitsindroka fako no asany. Efa ho hefarana izy no nitaraina ho hafahafa saingy tsy mba nisy nitsetra raha ny fitantaran’ireo mpiara-matory aminy. Fantatra fa any amin'ny fokotany Ambalavato no misy ireo vady aman-janany saingy indrisy fa toa tsy mba mijery azy. Efa very tokoa ve izany ny fihavanana sy ny riba Malagasy ?
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.