Sakoroka tanteraka ny tao Maroantsetra ny sabotsy teo. Olona roa no maty, trano 22 may kila forehitra, ary telo no voaroba.
Niombon-kevitra ny mponin’i Maroantsetra sy ny solontenan’ny mpitondra fanjakana nidina tany an-toerana amin’ny fanafainganana ny fanadihadiana ireo mpanararaotra. Nitaky ireo vahoaka mba hamotorana ny polisy nahavanon-doza nidaroka ilay voapanga ho mpamaky trano sy izay nitifitra ny tovolahy 19 taona, ka nahafaty azy. Nanome toky kosa anefa ny mponina teo an-toerana omaly atoandro, teo anatrehan’ny mpitondra fanjakana tahaka ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny minisitry ny filaminam-bahoaka fa tsy hanatanteraka ny fandorana sy ny fandravana fotodrafitrasa intsony, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Raha iverenana ny zava-nisy, tovolahy iray 19 taona no voatazon’ny polisy tao amin’ny kaomisaria Maroantsetra ny sabotsy 6 aprily teo nahiana nahavita halatra tamin’ny vaky trano. Narary tao amin’ny « violon » izy io ka nentin’ny polisy tany amin’ny hopitaly kanjo maty. Araka ny filazan’ny dokotera teo an-toerana, vono sy daroka no nahafaty azy ary nisy tapaka ny taolan-tratrany. Tezitra ireo fianakaviany ka nentiny teo amin’ny kaomisaria ny faty tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ary nitaky ny hanasaziana ny nahavita ny heloka izy ireo. Nihamaro ny olona ary nihiboka tao amin’ny birao ireo polisy. Tonga teo an-toerana ny zandary nifampiresaka tamin’ny fianakavian’ny lasibatra, nanampy ny lehiben’ny distrika ka tapa-kevitra ny fianakaviana fa any amin’ny tranompokonolona no hatao ny fiandrasam-paty. Nandritra izany ny zandary nitaona ireo vady aman-janaky ny polisy hihazo ny tobin’ny zandary. Tamin’ny 4ora sy sasany hariva anefa, tonga ireo andian-jatovo ka saika hanao amboletra hamoaka ireo polisy. Tamin’izay no nahavoa ilay iray 19 taona ka maty ary nahatezitra ny mponina. Nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany ny fandorana ny tranon’ny polisy. Nafindran’ny zandary tany aminy nihazo ireo fianakaviany avokoa ireo polisy tao amin’ny kaomisaria. Voatery nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitandro ny filaminana ka tamin’ny 2 ora maraina vao nilamina. Polisy iray no naratra. Omaly maraina no nidina tany an-toerana ny delegasion’ny minisitera voakasika. Matetika no tsy manaja ny zon’olombelona ireo mpitandro filaminana mpanao fanadihadiana amin’ny alalan’ny vono sy daroka ary fandorana herinaratra ka mahatezitra ny olona.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.