Actualités

NISANDOKA HO JENERALY


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Nosamborin’ny zandary tao Ankazobe ny mpisandoka iray ho jeneraly miasa eo anivon’ny prezidansa ary koa ny mpanao gazety iray izay rehefa nohamarinina dia mpisandoka koa.

 

 

 

Nanao fanaparam-pahefana tao amin’ny mpitsara sy ny kaominina tao an-toerana izy ireo ny amin’ny hamoahana omby izay efa nogiazan’ny fitsarana, mba entin’izy ireo mody. Nandeha ny fanadihadian’ny zandary izay niafara tamin’ny fampidirana am-ponja ireo roalahy izay mpianaka ireo. 


HANOSOPOTAKA NY ZANAK’I DADA

 

Mila mailo sy malina anio sabotsy ny mpomba an’i Dada satria raha ny resaka mandeha dia hisy andiana jiolahimboto hokaramaina. Ireo dia alefa handroba amin’ny toerana sasantsasany izay misy toeram-pivarotana lehibe eto an-drenivohitra ary ampanaovina tee-shirt Dada mba entina hanaratsiana azy. Efa azon’ny mpitandro ny filaminana ny vaovao momba izany ary inoana fa efa misy ny fepetra hentitra mba tsy hahatanterahany. 

MINISITERAN’NY FITSARANA

 

 Nambaran’ny minisitry ny fitsarana fa tsy misy hidirany amin’ny maha kandidà an’i Faniry Ernaivo ny antony nampiatoana azy amin’ny asa maha mpitsara azy. Ny fiteniny no sokajiana ho fandikan-dalàna ka nahatonga ny fampiatoana voafetra. Ny ambiny kosa dia ny filankevitra ambonin’ny fitsarana no handray andraikitra na hajanona tanteraka izy na hosaziana fotsiny ihany. Na izany aza anefa, tsara ho fantatra fa tsy tokony hofehezin’ny satan’ny fitsarana intsony izy mandritry ny fotoana voafetra izay nangalany « disponibilité » ary malalaka amin’izay tiany hambara. 

 

SAMY NITORY RAVALOMANANA SY RAJOELINA

Efa eny amin’ny fampanoavana koa ankehitriny ny fitoriana napetraky ny kandidà roa dia Ravalomanana sy Rajoelina teny anivon’ny CENI. Ny anton’ireo dia mahakasika ny fisian’ny mpomba izay nisy nidaroka ary nitarika fahafatesana. I Dada no nametraka voalohany ary fomba fiady ihany ny an’ny hafa, alohan’ny hiantefan’ny bala any aminy dia nametraka arofanina mialoha. Tsy ela amin’ny fiketrehana ny ratsy mihitsy ny kandidà sasany. 

 

MAMO NIFANINDRONA ANTSY

 

Lehilahy miisa telo izay mpinamana ihany no niara-nisotrosotro. Rehefa niakatra ny toaka, teo amin’ny bar iray tetsy Soanierana, dia nanomboka nifamaly ary nifanindrona antsy. Ny iray no maty teo no ho eo. Ny faharoa naratra mafy ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly ary ny fahatelo farany kosa dia notazomin’ny mpitandro ny filaminana. Nanokafana fanadihadiana avy hatrany ity raharaha ity noho ny fisian’ny maty sy naratra. 

NAHAZO ALALANA TSARA

 

Samy nahazo alalana avokoa ny ankamaroan’ny kandidà goavana anio amin’ny hetsika famoriam-bahoaka izay misy fanentanana ataon’ny artista samihafa. Tsy nandà ny prefektioran’ny tanànan’Antananarivo saingy kosa samy tompon’andraikitra amin’ny famehezana ny olony sy ny fiarovana ny fandriampahalemana eny amin’ny toerana tsirairay avy ny kandidà. Asa indray raha mbola hisy hamboly korontana izay efa zatra an’izany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT