Nirehitra halina tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka teo ho eo ny tsenan’Andravoahangy. Ireo trano fivarotana vita amin’ny hazo sy ny fivarotan-kazo eo ampitan’ny ny sy ny eglizy katolika sy ny kolejy Saint Antoine ireto ravaravan’ny afo ireto.
Tsy mbola fantatra mazava hatramin’ny fotoana nanoratana izay niavian’ny afo sy ny antony fa raha ny fitantaran’ny mponina teny amin’ny manodidina dia tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nanomboka nahita lelafo nidedaka izy ireo, izany hoe mety efa talohan’io no nanomboka nirehitra ireo trano fivarotana vita amin’ny hazo. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, ka nanomboka lefy tamin’ny ampahany ny afo tamin’ny 11 ora sy sasany alina saingy mbola misy ihany ny midedaka. May kila ary potika tanteraka tsy misy horaisina ireo tsena hazo sy izay entana rehetra mety tao anatiny tao. Ho hita eo ihany moa ny fanadihadiana hahafantarana ny tena marina momba ity firehetan’ny tsenan’Andravoahangy ity, izay mifanandrify amin’ny fiovan’ny mpitantana eo amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.