Hita taratra ny fihatsaran’ny tolotra eny amin’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena eny Ivato amin’izao fotoana, raha ny fanamarihan’ny mpandeha.
Nisy ny fiovana sy ny fihenan’ny fahasahiranana noho ny fandraisana fepetra hahafaha-manome fahafaham-po ny mpandeha. Raha adiny 3 teo aloha ny fotoana lanin’ireo mpandeha vao tafavoaka ao Ivato, 40 minitra eo sisa amin’izao. Raha hiverenana ny tantara, voatery tsy maintsy natsahatra ny fisavana ny entan’ny olona vao tonga tamin’ny fiaramanidina nanomboka ny fiandohan’ny volana martsa lasa teo. Nampahafantarin’ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro Atoa Joël Randriamandranto ny 01 martsa nandritra ny fifanomezana toromarika arak’asa tamin’ireo mpiasan’ny seranam-piaramanidina io fepetra io. Nohazavainy fa ny entan’ny mpandeha dia efa voamarina tsara mialoha ny hiaingany any amin’ny fadin-tseranan’ny firenena iaingana. Notsipihany anefa tamin’io fotoana io fa tsy mahasakana ny mpiasan’ny fadin-tseranana hanao ny fisavana lalina ny entana izany raha toa ka ilaina. Omena ny toromarika feno ny manan-draharaha eny amin’ny seranam-piaramanidina rehefa tafiditra ao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.