Mbola nanohy ny fanaraha-maso teny Analakely, Behoririka, Soarano,Tsaralalana omaly ny avy ao amin’ny kaomininAntananarivo renivohitra raha toa ka nanaja ny nifanarahana marina ireo mpivarotra.
Tsy tokony nisy intsony mantsy nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo ny mpivarotra amoron-dalana fa naverina any anaty tsena avokoa izy ireo.Misy ihany moa ireo sasantsasany mbola tazana teny amin’ny sisin-dalana teny saingy tamin’ny ankapobeny dia hita ho niha nadio sy nalalaka ny arabe teto an-drenivohitra tamin’ny omaly.Manamafy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina fa asa tsy maintsy atao io fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana io ary hitohy foana , andrasana ihany koa ny fandaminana isak’ireo tsena efa misy satria hita ho misy ihany ny tsy fifankazahoan-kevitra ny amin’ny zavatra tokony atao sy ny fitsinjarana ny toerana indraindray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.