Actualités

Nesorina ny minisitry ny Angovo. Tsy hisy intsony ve izany ny Delestazy ?


  • Zoma 24 Oktobra 2014

Nanambara ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta fa antony ara-teknika fa tsy ara-politika no nanalana ny Minisitry ny angovo Fienena Richard. Hiaraha-mahita mantsy fa dia mbola mameno ny faritra rehetra eto Madagasikara ny fahatapahan-jiro matetika na ny delestazy. Ny herinandro lasa iny tokoa mantsy dia nilaza hatrany ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana fa dia ho foana izany delestazy izany nanomboka ny alatsinainy teo

Raha ny hita anefa dia toa vao mainka aza mitombo ny ora hahatapahan’izany jiro izany any amin’ny faritra sasany eto Madagasikara eny fa na dia eto Analamanga fotsiny aza. Mety noho ny fahitana izany ary ve no nanalana ity minisitra ity ? Ny minisitra rahateo efa nilaza fa tsy mbola ato ho ato no ho foana izany delestazy izany. Fantatra koa amin’izao fotoana fa misy ny kaomisionina avy ao amin’ny vondrona eoropeanina momba ny fampandrosoana manara-maso akaiky  ny olana lalovan’ny orinasa JIRAMA ity amin’izao fotoana. Raha ny fihetsika asehon’ny fitondrana izao izany dia toa te hilaza izy ireo fa ny minisitry ny angovo teo aloha no sakana mbola mampisy ny delestazy amin’izao fotoana. Azo heverina ary ve izany fa dia ho foana manomboka ny andro nanalana ny tompon’andraikitra voalohany iny ny delestazy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT