Ny alin’ny 31 desambra 2014 teo no voalaza fa nisehoan’i Jesosy tamin’i Neny Tiana mpanompon’Andriamanitra. Raha ny voalazany dia nisy ny hafatra voarainy tamin’izany entina haparitaka sy zaraina amin’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondra.
Nilaza ny tenany fa hafatra maika no nolazain’i Jesosy taminy ka tahaka izao izany : «Mila mihavana, miaiky heloka imason’ny vahoaka Malagasy na ny FFKM izay mampihavana na ireo filoha 5 lahy izay hampihavanina». Tsy mbola nilaza anefa aho, hoy i Neny Tina ka niverina indray ny hafatra ny 6 janoary 2015 teo ary niseho tamin’ny endrika mamirapiratra sy feo mahery ny Tompo nilaza indray fa : «Lazao ! lazao teneno mafy ny FFKM fa tsy handefitra intsony aho !» Mila mihavana maika ny mpampihavana fa raha tsy izany dia ho afabaraka eo imason’izao tontolo izao sy ny vahoaka Malagasy izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.