Actualités

Ndriana Rabarioelina Nopotehana ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy


  • Alakamisy 24 Martsa 2016

Fanapotehana ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy hatrany no nisongadina teto Madagasikara hatramin’ny Repoblika faharoa no ho mankaty, hoy ny filohan’ny Fikambanan’ny Zanakandriana

 sy ny Ampanjaka eto Madagasikara Prince Réverénd Docteur Ndriana Rabarioelina. Porofon’izany ireo tranga maro niseho teto amin’ny firenena. May ny Lapan’Andafiavaratra tamin’ny Repoblika faharoa. May ihany koa ny Lapan’i Manjakamiadana tamin’ny Repoblika fahatelo. Nafindra an-tsokosoko ny razan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina hatramin’ny Ranavalona fahatelo tsy nisy fierana tamin’ny taranany sy ny vahoaka Malagasy tamin’ny taona 2008. Nisy nangalatra ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona fahatelo tao Andafiavaratra nandritra ny tetezamita. Mbola may indray ny Rovan’Ambohidratrimo ao anatin’izao Repoblika fahefatra izao. Tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana izany ao ambadika ny mpanjanatany frantsay, hoy izy. Ary satria tsy nisy hatreto ny vokatra azo tsapain-tanana tamin’ny fanadihadiana rehetra natao dia midika izany fa olona na sokajin’olona tao anatin’ny Repoblika nifandimby ihany no tompon’antoka nanatontosa mivantana ireo asa mamoafady ireo, araka ny fanamarihan’ny filohan’ny FZAM.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT