Fanapotehana ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy hatrany no nisongadina teto Madagasikara hatramin’ny Repoblika faharoa no ho mankaty,
hoy ny filohan’ny Fikambanan’ny Zanakandriana sy ny Ampanjaka eto Madagasikara Prince Réverénd Docteur Ndriana Rabarioelina. Porofon’izany ireo tranga maro niseho teto amin’ny firenena. May ny Lapan’Andafiavaratra tamin’ny Repoblika faharoa. May ihany koa ny Lapan’i Manjakamiadana tamin’ny Repoblika fahatelo. Nafindra an-tsokosoko ny razan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina hatramin’ny Ranavalona fahatelo tsy nisy fierana tamin’ny taranany sy ny vahoaka Malagasy tamin’ny taona 2008. Nisy nangalatra ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona fahatelo tao Andafiavaratra nandritra ny tetezamita. Mbola may indray ny Rovan’Ambohidratrimo ao anatin’izao Repoblika fahefatra izao. Tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana izany ao ambadika ny mpanjanatany frantsay, hoy izy. Ary satria tsy nisy hatreto ny vokatra azo tsapain-tanana tamin’ny fanadihadiana rehetra natao dia midika izany fa olona na sokajin’olona tao anatin’ny Repoblika nifandimby ihany no tompon’antoka nanatontosa mivantana ireo asa mamoafady ireo, araka ny fanamarihan’ny filohan’ny FZAM.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.