Actualités

Narson Rafidimanana Nandiso ny fanambaran-dRakotovao Rivo


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

Hentitra ny minisi-panjakana miandraikitra ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Narson Rafidimanana fa ho vita ara-potoana

 

, ho vita mialoha ny fivorian’ny frankôfônia amin’ny volana novambra ireo fotodrafitrasa goavana. Anisan’izany ny tanànan’ny frankôfônia etsy Andohatapenaka ahitana trano lehibe misy efitra hatramin’ny 300, toeram-pivarotana sy fialamboly ary toerana fiantsonan’ny fiara midadasika. Miroso tsara ny asa eny an-toerana, hoy ny minisitra izay nitsidika teny omaly. Mizotra tsara koa ny fampitaovana ilay hotely kintana 5 eny Ivato, ny fanorenana trano fivoriana iray vaovao mbola eny Ivato ihany. Fantatra omaly, araka ny fanambaran’ny minisitra Narson Rafidimanana ihany koa, fa hanomboka ny alatsinainy 26 aprily ho avy izao ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato, ka ankoatra ny fanitarana ny Piste sy ny Parking hiantsonan’ireo fiaramanidina dia hisy fanamboarana salon d’honneur vaovao ihany koa mba handraisana ireo filoham-pirenena ho avy eto Madagasikara. Tena nandiso tanteraka ny resaka nataon’i Rivo Rakotovao izay nodimbiasiny toerana izany eto ny minisitra Narson Rafidimanana. Rehefa nototofan’ny mpanao gazety fanontaniana mantsy ity nosoloina dia nilaza fa tsy voatery ho vita mialoha ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia ny asa rehetra fa izay fotodrafitrasa tena ilaina ihany aloha no henjehina, ka vitaina miandalana ny ambiny avy eo. Azo antoka fa io fanambarana toa mifono tsy fahatokisan-tena io no nanesorana azy tao amin’ity minisitera goavambe ity ka nampirimana azy any amin’ny fambolena sy ny fiompiana ankehitriny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT