Actualités

Nanompa ny Filoha Mpanao “facebook” iray voasambotra


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Tratra tany Toliara i Godfroy Randria, mpikirakira tambajotra “facebook”, izay voalaza fa nanompa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Niainga tamin’ny taratasy fitorohana (Lettre de dénonciation) nataon'ny Cellule de Lutte Contre la Cybercriminalité teo anivon'ny minisiteran'ny serasera sy kolontsaina teny anivon'ny Fampanoavana ny fanenjehana azy. Nanao ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana ka saron'ny sampana “Service de Lutte Contre La Cybercriminalité” avy ao amin’ny Toby Ratsimandrava izay niara-niasa tamin’ny Sampana misahana ny fikarohana momba ny heloka bevava (Section de recherche criminelle) tany Toliara Randria Godfroy izay voalaza fa nanompa im-betsaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ireo hafatra na “publication” maro izay nataony matetika tany anaty vondrona na "groupe". Heloka izay ambara fa helohin’ny lalàna manan-kery 2016-031. Zava-dehibe ary anatra ho an’ny rehetra ny tahaka izao. Tany amin’ny fanjakana Rajaonarimampianina no efa nisy ny tranga tahaka izao, toy ilay tamin’ny raharaha fanelezana tsaho fa nihotsaka ny tonelina Ambanidia ka olona maro be maty, ny fanamboarana ny sarin’ny filoha nasiana takon-kenatra teo amin’ny tarehiny,… Efa nisy ihany koa mpanao gazety nohenjehina noho ny zavatra navoakany tao anaty “facebook”. Midika izany fa azo atao ary mora ny manenjika ireo mpikirakira tambajotran-tserasera manohintohina ny mpitondra fanjakana. Na kaonty fako na tena izy, dia azo arahina sy jerena amin’ny alalan’ny adiresy IP (Internet Protocol). Gaboraraka loatra ny fampiasana azy io eto amintsika. Ny mpitondra sy ny manampahefana aloha izany no tena afaka manenjika rehefa mahatsiaro ho voatohintohina fa ankoatra izay toa vitavita ho azy eny. Firifiry ny mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana no voaompa, voateny ratsy, halana baraka amin’ny lainga,… saingy tsy misy mandray fepetra. Na efa zavatra mamoafady aza ve dia tsy maintsy iandrasana izay lasibatra vao ho taitra ny fanjakana na dia efa mifanohitra amin’ny soatoavina sy ny lalàna izao aza ? Hatramin’ny pejy na vondrona tsikaritra ho mpanohana ny fitondrana, dia lohalaharana amin’ny famafazana lainga saingy tazanim-potsiny ireny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT