Actualités

Nandavaka ny fasana ilevenany


  • Alarobia 15 Oktobra 2014

Nilalao afo ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina tamin’ity raharaha Marc Ravalomanana ity. Namorona olana vaovao indray kanefa ny olana efa misy aza tsy voavaha. Voaporofo indray fa malemy sy marefo ilay fitondram-panjakana. Amin’ny fomba ahoana moa no inoana fa dia tena tsy nahafantatra na inona na inona tamin’ny fahatongavan’ingahy Ravalomanana teto ny manampahefana ?

Tsy nilomano izy na nandeha an-tongotra na mahay manjavona tampoka na nandeha sambo na nandeha fiaramanidina. Fa dia tsy misy mihitsy ve ny fanaraha-maso ny sisin-tany eto amintsika ? Iza no tsy nanao ny asany ? Iza no tsy mahay ny asany ? Momba ilay fisamborana teny Faravohitra indray, aiza ny taratasy vita sonia sy misy fitombokase avy any amin’ny fitsarana ? Iza marina no nanome ny baiko ? Olona tsy jiolahy, tsy manana fitaovam-piadiana mipetraka tsara misakafo antoandro ao an-tranony ve no ambanana basy sy hanaovana be midina manimba fananana tahaka ireny ? Azo natao tsara ny nandefa taratasy fampiantsoana raha misy ny fanadihadiana tsy maintsy atao. Niaraha-nahita fa nilamina ny olona, nilamina ireo zanak’i Dada fa tsy nikorontana. Ka inona ary no tena anton’ilay fisamborana ? Tsy maharesy lahatra mantsy ilay hoe : « mba ho fiarovana ny ainy  !». Ankehitriny, tafiditra anaty kizo ny fitondrana. Hamotsotra an’i Marc Ravalomanana, sahiran-tsaina sady ho afa-baraka fa hoe io indray fa nihemotra sy nilefitra tahaka ny tamin’ny raharaha Jirama sy mpanao gazety ka nisintonan’ny fanjakana ny fitoriany. Hitazona na hanagadra vao miha ratsy ny raharaha satria mampamangy hatreo aloha ny resaka famatsiam-bola avy any ivelany, mety hisy ihany koa ny fidinana an-dalambe ataon’ny vahoaka tsy manaiky ny jadona sy ny fampiasan-kery. Mandroso maty raibe, mihemotra maty renibe…izay ilay antsoin’ny Malagasy hoe : nandavaka ny fasana ilevenany ! Tena diso paikady indray ny fitondram-panjakana ary hovidian’i Hery Rajaonarimampianina lafo eo amin’ny ho avy politikany ny fisamborana, fakana an-keriny ary ny fampitokana-monina an’i Marc Ravalomanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT