Vahoaka 22.000 isa no nampialana voly,
tavoahangy plastika 10.000 no voahangona
Niverina indray ny Star Tour natao tao Toamasina rehefa tsy azo notanterahina tamin’ny taon-dasa. Tontosa ny 24 sy ny 25 Oktobra teo teny amin’ny Esplanade Tamatavy 501 izany. Olona maherin’ny 22. 000 no tonga nanatrika ireo seho an-tsehatra, fialamboly ary toeram-pivarotana zava-pisotro tao anatin’ny hafaliana. Tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny « Oktoberfest » ity hetsika ity ka nampivondrona indray ny mponin’i Toamasina sy ireo mpitsidika, nandritra ny faran’ny herinandro. Raha tsiahivina kely dia ry Dalvis, Stephanie, Tsota, Agrad ary Anatal no tonga nanafana ny sehatra. Toy ny fanaony isan-taona moa dia tsy nanadino ny asa fiarovana ny tontolo iainana koa ny Star taorian’ny hetsika. Nisy ny fitsidihana ireo fokontany ka nahafahana nanangona tavoahangy plastika efa niasa maherin’ny 10 000 isa. Sady nanentana ny mponina momba ny mahazava-dehibe ny fahadiovana sy ny fiarovana ny tontolo iainana koa izy ireo. Napetraka teny amin’ny toerana nanaovana ny hetsika tao Tamatavy 501 ireo baka Kopakelatra. Nisongadina ihany koa ny lafiny ara-tsosialy tamin’ny alalan’ny fanomezana rano fisotro sy vary ho an’ireo ivon-toerana fitaizana zaza kamboty miisa telo ato Toamasina. Fomba iray nanohizana ny hafatra momba ny fifampizarana sy ny firaisankina entin’ny STAR TOUR izany, ka tsy voafetra teo amin’ny sehatra fotsiny fa tonga hatrany amin’ireo vondrom-piarahamonina mihitsy.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny fanangonana ireo tavoahangy plastika !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.