Nambaran’ny Minisitera fa tsy ankatoaviny
Tapitra tamin’ny 21 Oktobra 2026 ny fe-potoam-piasan’i Danny Barivelo tamin’ny maha Tale Mpanatanteraka ny Ofisim-pirenena ho an’ny Fizahantany eto Madagasikara (ONTM), ka voatendry ho Tale Mpanatanteraka vonjimaika ny ONTM kosa misolo azy i Jean-Marc Razakazafy manomboka omaly 26 oktobra 2026, araka ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitantanana. Nisy ny fampahafantarana nataon’ny ONTM mikasika ny fanendrena sy ny fiovam-pitantanana tamin’ireo andrim-panjakana sy mpiara-miombon’antoka aminy. Nambaran’ny ONTM fa tafiditra ao anatin’ny ezaka hanavaozana ny rafitra sy ny fitantanana ary hampitomboana ny fahombiazan’ny birao io fanovana eo amin’ny fitarihana io, mifanaraka amin’ny politikam-panarenana sy fanorenana vaovao entin’ny Governemanta. Nohamafisina ihany koa fa tsy hisy akony amin’ny fitohizan’ny asa sy ny fanatanterahana ireo adidy efa nifanarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ny fiovana. Andaniny, niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny karazana tsikera sy filazana fa olona mafana fo tamin’ny fanohanana ny fitondrana teo aloha dia ny volomboasary ity voatendry ity, nisy namoaka sy nanaparitaka sary nanehoana izany,… Nilatsaka avy eo ny fanambarana nataon’ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana tarihin-dRtoa Lily Rafaralahy, mpiahy ny ONTM. « Manoloana ny fanambarana nivoaka mikasika ny fanendrena an’Andriamatoa Jean-Marc RAZAKAZAFY ho Tale Mpanatanteraka vonjimaika eo anivon’ny Ofisim-Pirenena misahana ny Fizahantany eto Madagasikara (ONTM), ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asatanana, amin’ny maha-minisitera mpiahy azy, dia maneho sy manamafy ny tsy fankatoavany izany fanapahan-kevitra izany. », hoy ny fanambarana. Nomarihina fa efa naneho mazava ny ahiahiny sy ny tsy fankasitrahany ny filatsahan-kofidian’io olona io Ramatoa Ministra, ary nanentana ny rehetra hanao safidy mifanaraka amin’ireo foto-kevitra iorenan’ny politikan’ny Fanavaozana. Ao anatin’izany indridra, ny fanavaozana ny fitantanana dia tokony haneho taratra ny finiavana marina hitondra fiovana, hanome sehatra ny fomba fijery vaovao sy ny fomba fiasa nohavaozina, mifanaraka amin’ireo vina sy toromarika napetraky ny Governemanta, hoy ity fanambarana ity. Somary niteraka resabe moa izy ity, ary asa izay mety ho fanampim-panazavana fa raha ny fikaroham-baovao tsotsotra dia, dia tafiditra anatin’ny hoe : "association privée ARUP" na "Association Reconnue d'Utilité Publique" na indraindray "Association Reconnue d'Utilité Privée" ny ONTM, arakaraka ny sata sy ny lalàna mifehy azy. Amin'ny ankapobeny, ny « association privée » dia fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakana. Tsy sampan-draharaham-panjakana izy, fa manana ny sata mifehy azy sy ny rafitra fitantanana azy manokana. Ny mpikambana na ny filankevi-pitantanana (administrateurs) no mandray fanapahan-kevitra lehibe, toy ny fanendrena na fanakaramana ny Tale Mpanatanteraka. Noho izany, raha lazaina hoe: "L'ONTM est une association privée ARUP", dia midika fa fikambanana tsy miankina izy, manana sata manokana sy fitantanana mahaleo tena, ka tsy ny Fanjakana no manendry mivantana ny Tale Mpanatanteraka fa ny mpitantana ao anatin'ilay fikambanana no manao izany araka ny fepetra napetraka ao amin'ny « termes de référence ». Asa anefa izay tena fipetrany eto ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.