Afera sinoa 11,

olona ambony voatonona


  • Talata 27 Oktobra 2026

Tsy tsindry amin’ny facebook no

handraisana fanapahan-kevitra !»
Namaly ny fanontanian'ny mpanao gazety manoloana ny fisiana olona ambony voatonontonona amin'ny afera famoahana sy fammitsoahana gadra sinoa miisa 11 ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika na ny PRRM omaly. "Tsy tsindry amin'ny facebook no handraisana fanapahan-kevitra eto amin'ny Firenena fa aleo ny fanadihadiana no hipetraka. Tsy tsindry amin'ny tambajotran-tserasera no handraisana fanapahan-kevitra handravana governemanta, hanoloana olona, fa aleo tena hipetraka ilay izy hoe tena i anona tokoa no tompon'andraikitra, izay vao tena mandray fanapahan-kevitra", hoy ny Kolonely Randrianirina Michael. Nambarany fa mbola mandeha ny fanadihadiana ary tsy hiteny izy no tompon’andraikitra amin’izy iny na iza, fa ny azony tenenina dia aoka tsy ho tsindry amin’ny facebook no hanapahana hevitra eto amin’ny Firenena. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa nilaza ho nampanao fanadihadiana manokana mikasika io raharaha io ny PRRM. Mbola izy tenany aza no namaky ampahibemaso ny talata 19 oktobra 2026 lasa teo, fa mbola nisy sinoa 2 hafa saika havoaka, saingy naverina haingana tany amin’ny fonjan’Avaradrano. Nahitsy moa ny tenany nilaza mikasika an’io raharaha io tamin’izany fa tena « pasoara » ny sisin-tany. Mazava ho azy fa mitoetra hatrany ny hoe : any amin’ny PRRM ny baolina mikasika io zavatra io, izay inoana fa manana ny andinindininy maro miainga amin’ireo loharanom-baovao sy fanadihadiana na « renseignements » ny tenany izay miaramila rahateo, mafy amin’ny resaka loharanom-baovao,… Tany amin’ny fiandohan’ny fahavakisan’ny raharaha ihany koa dia nilaza fa efa niresaka taminy ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM sy ireo mpandraharahan’ny fonja raha niampanga ny Minisitry ny Fitsarana ho nanome baiko. Tahaka izany ihany koa ny Minisitry ny Fitsarana satria efa noresahana tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ihany koa izy io. Ny sehatra ivelan’ny Fanjakana toy ny Transparency International Initiative Madagascar niantso ny hisian’ny fanadihadiana mahaleo tena mikasika ity afera ity. Samy miandry izany ny rehetra hoe : hanao ahoana ny tohiny satria tena mafana ny ady ara-tserasera na « guerre de communication » mikasika ity raharaha ity, saingy tsy azo hamaivanina ihany koa anefa ireo karazana fahavakiana resaka sy karazana singam-baovao mety ho azo hiaingana amin’ny fanadihadiana samihafa. Mbola betsaka ireo zavatra manitikitika mikasika ity afera ity hoe : iza marina no atidoha ? Nahoana no tafavoaka ireo sinoa ? Taiza no nahazo pasipaoro ? Inona no andraikitr’ireo olona samihafa toy ireo anaty horonam-peo miparitaka ? Ohatrinona ny vola niodina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

  • STAR TOUR
  • Talata 27 Oktobra 2026

TOAMASINA 2026

Hijery ny tohiny
FTT