Niharan'ny herisetra teo am-perinasa indray omaly tolakandro ireo ekipa nandamina tsena teo Analakely, ahitana polisy monisipaly, polisy nasionaly ary mpiasa sivily avy amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Polisy Monisipaly telo no naratra vokatry ny tora-bato. Voasambotra, tratra teo am-pitorahana vato ny anankiroa tamin'ireo tompon'antoka tamin'izao herisetra izao. Natolotra avy hatrany ny Commissariat Central de Police eny Tsaralalana, izay hisahana ny famotorana, izy ireo. “Mampitandrina ireo mpivarotra tsy manara-dalàna mampiasa herisetra fa handraisana fepetra hentitra”, hoy ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, izay nanamafy fa “tsy hihemotra amin'ny asa fandaminana ny tsena”.
Nangonini Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.