Actualités

Nampitandrina ny fanjakana “Aleo miafy 15 andro, toy izay 900 isan’andro no maty”


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Mihantra ary hamafisina ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy na olona io na fiara eto Antananarivo sy any Toamasina, hoy ny Minisitry ny atitany sady sady Filohan’ny CCO Covid 19 Tianarivelo Razafimahefa.

Tsy mahazo mihoatra ny roa ny olona ao anaty fiara raha hiantsena, iray ho an’ny moto. Amin’ny 12ora dia tokony hikatona ny tsena rehetra. Tsy mahazo misokatra mihitsy ny mpivarotra tsy mahasahana ireo filàna andavanandro, toy fivarotana akanjo,kojakojan-dakozia… Raha mivoaka ny trano ianao ka mahazo ilay izy dia maty, ka tsy aleo ve miafy kely ao an-trano, hoy ny minisitry ny atitany manoloana ireo olona manontany hoe: ahoana izany ny fivelomanay? Raha ny tsikaritra dia, manohy ny fiainana andavanandro ny ankamaroan’ny mponina eto Antananarivo na misy aza ny fepetra tsy tokony hivoahan’ny mponina. Saika ahitana izany avokoa eny andalam-be tahaka ny eny Anosibe, Mahazo, Ambohidahy,,… Hitangoronana ny grosista, miparitaka ny mpivarotra ravin-kazo samihafa: romba, kininim-potsy,… Na ireo sampan-draharaham-panjakana, toy ny tahirimbolam-panjakana tetsy Ambohitsorohitra aza, dia nahitana filaharana be omaly. Tsy voahaja ny fepetra tokony hisian’ny elanelana iray metatra isan’olona, indrindra fa ny tapak’andro maraina, raha toa ka nanomboka nanaja ny fepetra fikatonana amin’ny 12 ora atoandro ihany ny ankamaroan’ny mpivarotra, izay nampihena ho azy ny olona eny an-dalambe. “Angaha fety ety Alarobia. Ao anatin’ny iray andro dia fantaro fa misy hatramin’ny 900 no maty any amin’ny firenen-kafa”, hoy ny minisitry ny Atitany sady lehiben’ny CCO Covid 19 nahita ny fitangoronana teny Alarobia. Nampahatsiahy ny mpitandro filaminana fa tsy azo atao ny mivezivezy na mandeha tongotra na ho an’ny fiara. Sazy henjana no ampiharina ho an’izay mandika izany. Naato avokoa ny fampianarana rehetra manerana ny Nosy sy ny fivavahana.Misy ny fangatahana azo atao eny amin’ny CCO Coviid 19 Ivato raha hoe tsy maintsy hivoaka sy hivezivezy ny fiara saingy henjana sy hentitra ny fanadihadiana ato ary tsy voatery ho ekena ny fangatahana rehetra, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

Hijery ny tohiny
FTT