Actualités

Nampifilafilaina vola Nitsoaka ireo FRAM niofana tao Belemboka


  • Alakamisy 29 Septambra 2016

Mihena an-toerana toa fen’antitra ny isan’ireo mpampianatra FRAM miofana ao amin’ny Ecole Normale Niveau II teo aloha ao Belemboka Toliara.

Avy any amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Betioky Atsimo sy Ampanihy izy ireo. Kivy amin’ny hakelin’ny vola vatsim-piofanana nomena azy ireo ireto mpampianatra ireo, ka naleon’ny sasany nijanona tsy nanohy intsony, raha mbola tokony hitohy hatramin’ny 8 oktobra 2016 ny fiofanana rehefa nanomboka tamin’ny 19 septambra 2016. Vola 25.000 Ariary isaky ny mpiofana no nomena ny fiandohan’ny herinandro teo, ary nampanantenaina fa mbola homena 20.000Ariary rehefa vita ny fiofanana, hiampy vola hatao sarandalana. Raha ny fitarainan’ireo mpiofana, dia tsy mahaonotra ny sarandalan’izy ireo mandroso akory ny vola nomena azy ireo, misy anefa no tsy mbola nandray tambinkarama ka sanganehana, tsy ampy vatsy na ny sakafo hohanina mandritra ny fotoana mbola hijanonana hanohizana ny fiofanana aza tsy misy. Ahiana hisy fiantraikany amin’ny fanombohan’ny taom-pianarana amin’ny herinandro io tranga io.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT