Actualités

Nampiaka-peo ny vondron’ny sendika Havereno ary tsarao i Claudine A&C


  • Sabotsy 15 Aprily 2017

Henjana ny fanambaran’ny randrambaon'ny sendika na ny Firaisan-kinan’ny sendika eto Madagasikara (SSM) mikasika ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny raharaha Claudine Razaimamonjy.

 

 Sendika maro no nampiray feo amin’ny tsy fankasitrahana ny fampanjakana ny tany tsy tan-dalàna, izay ahitana ny Sendikan’ny mpitsara (SMM), Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), Fadintseranana (SEMPIDOU), SEMPAMA, SPAAM,  SGM… Takian’izy ireo ny fampitoviana ny olom-pirenena rehetra eo anatrehan’ny lalàna ary mamerina izy ireo fa tsy misy ny tsimatimanota eto Madagasikara. Mikasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy, dia mitaky amin’ny fahefana mpanatanteraka (Governemanta) haka fanapahan-kevitra hanao fampodiana izay olona nitsoaka tsy mety tanana am-ponja na “Extradition”, izay angatahina amin’ny fanjakana Maorisianina ny SSM.  Mba ho fampitoviana ny olom-pirenena eo ambanin’ny lalàna, dia takiana ny hanenjehana ireo nandika lalàna na inona na inona andraikiny. Mitaky ny hanokafana fanadihadiana momba ny fampitsoahana an’i Claudine Razaimamonjy, izay olona voatana am-ponja vonjimaika, ka hitondrana ireo rehetra nanao hadisoana eo anoloan’ny fitsarana. Takiana ihany koa ny hampiharana ny lalàna amin’ireo nitarika olona nanakorontana sy nikomy teny amin’ny Bianco.  Mikasika ireo antsojay natao tamina mpitarika sendika maro izay noroahina tamin’ny asany dia takian’ny SSM ny fampiharana ny didim-pitsarana mamerina azy ireo amin’ny asany, ka voakasik’izany ny Airmad, Jirama, Ambatovy, seranan-tsambon’i Toamasina… Hentitra kosa ny fanambarana amin’ny hanatsaharana tsy misy hatak’andro ny fanaovana ramatahora atao amin’ny mpitarika sendikaly sy ny mpiasa. Namaranan’ny SSM ny fanambarany ny fanohanana hatrany ny ezaky ny Bianco sy ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) amin’ny fampanjakana ny tany tan-dalàna.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT