Polisy telo mianadahy ny sabotsy teo nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora. Araka ny loharanom-baovao azo, namotsotra lehilahy iray teny an-dalana avy niatrika ny fampanoavana izy ireo ary tokony hamita ny saziny eny amin’ny fonjaben’Antanimora.
Teny an-dalana nivoaka teo amin’ny Fitsarana mandrapahatonga teny Antanimora no nanaovany ny fampandosirana ity lehilahy iray ity, raha ny vaovao hatrany rehefa niaraka fiara izy ireo. Tsy nanaiky ity tranga ity moa ireo tompon’andraikitra fa avy hatrany dia nandray fepetra. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha raha efa eo am-pitadiavana ilay lehilahy nampandosirina ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Misy amin’ireo olona manan-draharaha eny anivon’ny fampanoavana ary hampidirina am-ponja vonjimaika no entina mandeha fiarakaretsaka na taksibe 119 rehefa mivoaka ao amin’ny fitsarana fa tsy miaraka amin’ilay fiarabe hiombonana mahazatra iny. Anisan’ny fomba iray hahafahan’izy ireny mitsoaka ny fihetsika tahaka izany na dia misy mpitandro ny filaminana aza ka tokony handraisan’ny fitondram-panjakana fepetra hisorohana ny tranga tahaka izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.