Henjakenaja ihany ny takaitra navelan’ny rivodoza Chedza teto raha araka ny tarehimarika avy any amin’ny BNGRC satria dia tafiakatra 10 no maty manerana ny nosy, 57 686 traboina, 2729 nafindra toerana vonjimaika, trano 1687 simba tanteraka, trano 120 niongotra tafo,trano 782 nidiran’ny rano ,sekoly
152 simba,trano fiangonana 8 potika, tranom-panjakana 10 simba.Fefiloha 3 no vaky dia ny vahilava atsimo eny Soavina Atsimondrano,ny ao Ankazotoho Anosimahavelona Anosizato sy sy ny tany Mahajilo Miandrivazo ary ; vaky ihany koa ny toho-dranon’i Dabaraha ao Morondava.Efa nivoaka an-dranomasina ny sabotsy las ateo ny rivo-doza Chedza, fa na izany aza dia mila fitandremana ihany satria mbola tena avi ny rano amin’ny faritra maro manerana ny nosy ary tena mbola atahorana ny mety hisian’ny tondra-drano, tahaka ny eto Antananarivo ohatra .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.