Nihoron-koditra izay nahita. Tovolahy iray, 30 taona eo, «styliste» sy mpanafana lanonana no hita maty teo an-tokotanim-pasana eny amin’ny Cimetičre Anjanahary omaly. Mpamily fiara nandeha maraina no nahatsikaritra ny razana efa nivalampatra ka nampandre ny manodidina. Tsy nisy nahafantarana azy raha ny endriny satria, nendahina ny hodin-tavany,
bory ny orony, niala ny voamasony, goaka ny traotraokany, nisy tapaka ny rantsan-tanany. Voatohina hatrany amin’ny faritra mamoafady azy. Tavela tsy lavitra ny razana ny fiara P206 fitondrany niaraka amin’ny lakile, fa ny autoradio no nisy naka. Mbola nahitana vola tany aminy, toy izany koa ny finday sy ny poketrany. Vono olona niniana natao, ary “valifaty" no ahiahin’ny fianakaviny. Raha ny filazan-drainy dia ny alarobia tamin’ny valo ora alina Rakotoasimbola Nambinina, f’izay no anarany, no niala tao an-trano. Miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny eny Amboditsiry izy. Tsy nanana ahiahy ny tao an-trano satria efa fanaony ny mivoaka alina, manafana lanonana, izay talentany koa ankoatra ny asa sahaniny eo anivon’ny dispanseran’ny EKAR Manjakaray. Ankona ny fianakaviana nony maraina ny andro raha nandre fa maty eny Anjanahary i Nambinina. Nanana faniriana manokana, hikarakara ny vatany, ity farany fahavelony ary nikasa ny ho any an-dafy hanatanteraka izany saingy izao niharan’ny habibiana izao izy. Misokatra ny fanadihadiana hamantarana ny anton’izao vono olona mahatsiravina izao. Vao tamin’ny septambra tamin’ny taon-dasa anefa no nindaosin’ny fahafatesana noho ny aretina nahazo azy ny rahalahiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.