Actualités

Namaly bontana ny mpikamban’ny MAMA “Aoka tsy hokorontanina ny lamina mipetraka”


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Nitondra fanazavana ny solontenan’ny mpitatitra, mpikambana anaty koperativa, tompona fiara samihafa mpikamban’ny trano fiantohana MAMA (Mutuelle d'Assurance Malagasy) ny sabotsy teo manoloana ny fanenjehana ataon-dRtoa Clémence Raharinirina sy ny namany, manenjika mafy ireo mpikamban’ny Filankevi-pitantanan’ny MAMA.

 

Nisy ny fivoriambe tany Nosy Be Hell Ville tamin’ny taon-dasa, ary nialoha izay dia nantsoina ny mpikambana rehetra mahafeno fepetra ao anatin’ny MAMA. Misy ny tany ary nisy ny tsy afaka noho ny asa aman-draharaha. Rehefa tsy tany kosa dia manaiky ny zava-drehetra notapahana tamin’ny fivoriambe, araka ny voalazan’ny sata na “statuts”. Fa maninona no herintaona aty aoriana vao mitranga ilay filazana fa manohitra ny zavatra tapaka ? Efa nandeha ny fifidianana filoham-pirenena solombavambahoaka tsy miteny fa handeha ny fifidianana ben’ny tanàna vao manakorontana ? “Ny rehetra no afaka mandinika hoe: antony politika ve sa inona no tanjona ?”, hoy ireo mpikambana. Aoka tsy hokorontanina ny rafitra efa misy, ary aza savoritahana ny fitantanana efa mandeha, fa aleo ny mpitantana efa voafidin’ny olona hiasa an-kalalahana, hoy Atoa Narilala Andriambelomasina mpitatitra. Izaho manokana dia tsy nanatrika ny fifidianana tany Nosy Be, ary misy ilay ohabolam-bazaha hoe: “Les retardataires ont toujours tort”, hoy Atoa Désiré na ¨Prezida Dezy no ahalalana azy eo amin’ny tontolon’ny fitaterana any Toliara.  Raha misy zavatra tiana hotenenina, dia miandry amin’ny 4 taona manaraka indray fa tsy korontanina izay efa vitan’ny olona tany, ary raha misy zavatra tiana atao, dia mifampiresaka fa tsy manakorontana, hoy izy. Lanin’ny olona mpikamban’ny MAMA saika voasolo tena avokoa ny manerana ny mpikamban’ny filankevi-pitantanana, fa tsy sanatria “olo gaigy” ireo nandany ireo mpitantana na tsy olona manan-katao, hoy hatrany izy. Ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola no tena miahy ny MAMA ary nisy solontenam-panjakana nanatrika ny fivoriambe tany Nosy Be, ka eken’ny fanjakana io, hoy hatrany ny fanazavana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT