Nanatrika ny fotoam-bavaka nokarakarain’ny Aumonerie teny amin’ny fonjan’Antanimora omaly ny ben’ny
tanànan’Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina ary nanolotra fanomezana kely ho fanampiana ireo voafonja. Niarahaba manokana ireo vehivavy izy amin’izao ankatoky ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izao. Olom-pirenena izy ireo ary mendrika ny hohajaina, hoy izy. Notsipihany fa ny ben’ny tanànan’Antananarivo dia an’ny mponina rehetra eto, anisany ireo voafonja. Manana andraikitra ny kaominina hitsinjo ireo voafonja, hanabe, hanoro, ary hanampy amin’ny azy ireo amin’ny fiverenana miasa, hoy izy. Nankahery azy ireo aho hifandefitra, hifanaja, hahay hiara-monina, ary mba hananatra ny olona tsy hiandry voasazy vao ahatsapa ny fanarahan-dalàna.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.