Andriamatoa Clement Jaona indray manomboka izao no filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) mandritra ny 3 taona. Izay no vokatry ny fifidianana no tanterahana teny Anosy ny zoma 15 febroary lasa teo.
Kaomisera momba ny lalàna eo anivon’ny filankevi-panjakana izy. Nifaninana taminy tamin’izay i Franklin James Rakotomahanina, izay mpitsara momba ny ady ara-bola ary miasa eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana. Azo ambara fa zanak’omby tsy ampianarin-domano raha momba ny sendikan’ny mpitsara i Clement Jaona satria efa filoha lefitra izy nandritra ny naha filoha an-dRamatoa Fanirisoa Ernaivo ary azo ambara fa tena niady mafy sy nijoro tamin’ny famerenana ny hasin’ny fitsarana sy ny mpitsara. Mahafantatra tsara ihany koa ny tolona sendikaly ary nahare ny fitakiana sy fitarainan’ny vahoaka momba ny fitsarana. Maro ireo manantena asa mivoatra sy mihatsara kokoa eo anivon’ny fitsarana, ny fanohizana ny fanadiovana efa natomboky ny filohan’ny SMM teo aloha, indrindra fa ny fitsarana araka ny fahamarinana sy ny lalàna velona tokoa. Mbola sampandraharaha tena mampitaraina ny olona amin’ny resaka tsindry bokotra sy kolikoly mantsy ny fitsarana eto Madagasikara. Hahavita hametraka ny tena fahaleovantenan’ny mpitsara sy ny fahefana mpitsara miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy manerana ny nosy ve Atoa Clement Jaona ? Miandry izay ho tohiny ny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.