Feno dimy taona katroka omaly alahady 28 aogositra 2016, ny nitrangan’ny loza an-dranomasina nahafaty ny minisitry ny mponina tamin’ny tetezamita, Nadine Ramaroson.
Nivadika teo am-pidirana an’i Soanierana Ivongo ny vedety nitondra azy, raha avy niatrika fetin’ny trozona tany Sainte-Marie izy. Olona fito no namoy ny ainy tao. Nametraka fitoriana teo anivon’ny fitsarana Toamasina ny fianakaviany taorian’ny fandevenana azy. Dimy taona aty aoriana, tsy mandroso tsy mihemotra ny raharaha. Mbola eo anivon’ny fitsarana Toamasina ny antontan-taratasin’ady, ary tsy mbola nahavitan’ny mpitsara fanadihadiana lalina. Omaly tontolo andro dia nisy fampirantiana an-tsary ny tantaram-piainan’i Nadine Ramaroson, natao teo an-tokotanin’ny Lapan’ny tanàna Toamasina, nokarakarain’ny rahavaviny, Danick Ramaroson ho fahatsiarovana azy. “Sarotiny tamin’ny fiarovana ny sosialim-bahoaka ny minisitra Nadine Ramaroson. Manantena mba handray lesona tamin’ireo dingana vitany ny mpitondra, mba tena hiteraka fampandrosoana marina eto amintsika”, hoy ity farany. Nalaza tamin’ny fitetezam-paritra ny minisitra Nadine Ramaroson, izay nahavitany lalana 124.000 km be izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.