Actualités

Mponin’Anosimahavelona “Tsy homenay ny Sinoa ny tanindrazanay”


  • Talata 03 Martsa 2020

Tamin’ny faha Mpanjaka ity no tanànanay, efa an-jatony taona ny raiamandreninay no teto,…

 

 

Noho izany ireo sinoa mihevitra ny haka ny taninay dia tsy homenay satria sinoa tsy manana taratasy. Ny sinoa dia misoloky fotsiny hoe manana taratasy kanefa tsy manana. Ny “juridique” hampiasain’ny sinoa dia hosoka, hoy ny mponina etsy Ankazotoho Anosimahavelona. Ny nahatonga anay nifidy anao, dia nanome toky anay ianao fa tsy handrodana ny tanànanay. Izao ny sinoa tonga mandrodana trano ary efa misy rava notrongisina tamin’ny “tracks”. Ilay tetikasa anefa tsy misy taratasy. Anisan’ny nanome vato ny antoko TGV izahay eto Ankaditoho Anosimahavelona na fifidianana filoha na depiote na ben’ny tanàna,… Ny mampalahelo anefa dia izao ny mahazo anay, hoy ireo mponina. Miandry fepetra fanatsaharana ny asa na "arrêt de travaux" ataon'ny prefe ireo vahoaka amin’ity herinandro ity, ary manamafy fa tsy manana antom-pisiana ilay orinasa sinoa nahazo ilay tany 2500 m² eny an-toerana efa mandrava trano io. Andrasana izay ho setriny avy amin’ny fanjakana eo anatrehan’ity toe-draharaha ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT