Actualités

Mponin’i Soamahamanina Na hifety na hirombo


  • Alarobia 26 Oktobra 2016

Ho hita rahampitso na hifety na hirombo ny mponina ao Soamahamanina. Ho tapitra amin’io ny fe-potoana nomen’izy ireo io mantsy ny hamoahana ireo mpitari-tolona roalahy notanana am-ponja tany an-toerana.

Araka ny vaovao azo dia tsy maintsy hisy fitangoronana mba hisaorana ny tompon’andraiki-panjakana rehefa hivoaka soa aman-tsara ny naman’izy ireo. Raha tsy izay anefa no hitranga dia hitohy sy hihamafy hatrany ny fihetsiketsehana any an-toerana aorian’io. Raha tsiahivina, nilaza ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany nialoha ny nialany tamin’ny toerany fa faniriany ny hiravonan’ny raharaha Soamahamanina ka hiafara amin’ny  fifampizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny mponina sy ny fitondrana.

Mirija     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT