Actualités

Mponin’Antananarivo Hahazo lavapiringa sy rano fisotro madio


  • Zoma 18 Desambra 2015

Efa dodona amin’ny fanombohan’ny fiaraha-miasa fanarenana ny renivohitr’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka vahiny amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ny Care International izay nanamafy ny fahavononany hanampy an’i Neny sy ny ekipany amin’ny fanarenana ny fiarahamonina eto Iarivo.

 

 Nifamotoana tamin’ireo orinasa tsy miankina moa ity fikambanana vahiny ity omaly nanentana azy ireo hanohana eo amin’ny lafiny fampitaovana hanadiovana ny fako mivangongo manerana ny tanàna amin’izao ankatoky ny fety izao, araka ny resaka nifanaovan’ny roa tonta ny alarobia lasa teo. Hiditra amin’ny dingana fanatontosana ny asa ho an’ny vahoaka avy hatrany ihany koa ny kaominina Antananarivo Renivohitra manomboka amin’ny fitsidihan’ny taona vaovao 2016, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Hisantarana izany ny fanorenana lavapiringa miaraka amin’ny fisitrahana rano fisotro madio ho an’ny mponin’Antananarivo Renivohitra. Hisahana ny fanatanterahana ireo tetikasa roa ireo ny mpiara-miasa vaovao vahiny nifandray haingana tamin’ny Care resy lahatra amin’ny ezaky ny mpitantana ny CUA, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitr’ity fikambanana tsy miankina ity.

Ramano F. 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT