Loharanom-bolan’ny tanŕnan’Ampitatafika ny hetra aloan’ny vahoaka. Asa mivaingana vokatry ny fampidiran-ketra avy amin’ny mponina,
ohatra, ny fahavitan’ireo lalana mampitohy ireo faritra samihafa eo anivon’ny kaominina toy ny mampitohy an’Ambohimangidy, Masinoro ary Ankaditany na koa ny eny Malaza mampifandray an’i Faliarivo. Tsy mitsahatra rahateo ny manentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny ho fampandrosoana ny fiarahaonina ao anatin’ireo fokontany 13 ny mpitantana ny tanàna eny an-toerana. Tsapa ho marisarisa mantsy ny fandoavan-ketra eo anivon’ity kaominina ao Atsimondrano ity, araka ny fanazavan’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna Rakotomavo Albert. Antony mahatonga izany ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano saingy azo atao tsara ny mandoa tsikelikely izany. Hidina ifotony tsy ho ela hanatona sy hampirisika ny vahoaka hazoto handoa hetra moa ny tompon’andraikitry ny kaominina, araka ny fanampim-panazavana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.