Actualités

MPO - mpanao menaka ao Toamasina II Mitokona ny mpiasa fa nakaton’ny fanjakana ny orinasa


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Raha ny tantaran’ity orinasa Madagascar Premium Oil (MPO) ao Tanandava Toamasina II ity,

 

 

 

 dia ny minisitra Randrianarisoa Guy Célin Rivoniaina tamin’ny didim-pitondrana laharana 2491/2019 ny 23 janoary 2018 no nanome alalana ny tompon’ny orinasa hanangana ny orinasany sy hanangana izany araka ny lalàna. Mbola nohamafisin’ny minisitra Andrianainarivelo Hajo tamin’ny didim-pitondrana laharana 5098/2019 ny 21 martsa 2019 izany namoha ny fahazoan-dalana amin’ny fananganana ny orinasa noraisin’ny minisitra ny indostria izany. Raha nandeha tsara ny fananganana ny orinasa MPO dia ny minisitra Lantosoa Rakotomalala indray tamin’ny didim-pitondrana laharana 16.088/2019 ny 05 aogositra 2019 no nanakana izany izay tsy fantatra ny tena antony satria tsy voalazan’ilay didim-pitondrana ny antony fampitsaharana ny MPO amin’ny fananganana ny orinasany. Ny 14 aogositra 2019 noho ilay didim-pitondrana 16.979/2019 dia nohamafisin’ny minisitra Hajo Andrianainarivelo izany ary izy ihany no nanafoana ny didy noraisiny teo aloha. Noho ity didim-pitondrana farany nivoaka nataon’ny fanjakana izay raisin’ny mpiasa ho fanaovana antsonjay amin’ny mpandraharaha manangana orinasa ho asa ho an’ny tanora Malagasy, dia nanao fitokonana ireo mpiasa an-jatony eo anivon’ny orinasa ny sabotsy teo, izay mbola hitohy, hoy izy amin’ity herinandro ity. Amin’ireto mpiasa mantsy tsy manaja ny teny nomeny ny fanjakana amin’ny fanomezana asa ny tanora, satria izay manangana indray izao no kapaina tsy afaka hivoatra sy hiroborobo. Ho an’ireo mpiasa an-jatony koa mahita izy ireo fa misy orinasa mpanao menaka tahaka ity orinasa vao mitsangana ity tsy mahazaka fifaninanana no mikapa azy ireo amin’izao amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny fanjakana. Ho an’ny mpiasa anefa io orinasa io na efa nanaovan’ny tompon’andraiki-panjakana teto Toamasina tatitra momba ny fofona avoakany sy ny fandotoana ny tontolo iainana ataony nefa hatramin’izao tsy nisy na sazy iray akory azony tamin’ny fanjakana, ny fanohizana ny fofona avoakany sy fandotoana ny tontolo iainana aza no ataony. Hihamafy kokoa ny hetsika fitokonana ataon’ireto mpiasa voatery hitsahatra amin’ny asany ireo amin’ity herinandro ity raha tsy mandray fepetra ny fanjakana na manome fanazavana ny antony nampikatona sy nampiatoana azy ireo

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT