Nivoaka ny alatsinainy teo ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha nampifanolana ny mpivarotra eny Ankatso mivondrona ao anatin’ny TAM (Tsenan’Ambohitsaina Miray).
Tsiahivina fa nitory ireo olona miisa 5 izay voalaza fa nitaky vola tsy ara-drariny tamin’ny mpivarotra mivondrona amin’ity fikambanana izay ahitana mpivarotra miisa 53 ity. Ny 3 tamin’ireo, izay vehivavy avokoa dia mpikambana ihany. Ny 2 kosa dia lehilahy nitonona ho mpiasan’ny kaominina, ary voalaza fa nampiasa fitombokase hosoka, ka niara-nikotrika ny fitakiana vola 160 000 Ariary isaky ny mpivarotra tamin’ireo 3 vavy. Rehefa nanamarina ny maha ara-dalàna ny fitakiana vola taminy ireo mpivarotra, dia voalaza fa hosoka avokoa ny taratasy nampiasaina ka nahatonga azy ireo nitory. Rehefa nivoaka ny anefa ny didy, dia afaka madiodio ireo 2 lahy, ary sazy mihantona 6 volana miampy onitra 3 tapitrisa Ariary ny an’ireo vehivavy. Nilaza ny hanonitra ny vola nalainy ireo vehivavy 3, saingy manahy ireo mpivarotra fa mety ho misy hevitra ambadika indray izany, ary tokony ho eo imason’ny vadintany no hamerenana azy. Tsy afa-po noho ny didim-pitsarana ireo mpivarotra, ka milaza ny hampiakatra ny raharaha amin’ny ambonimbony kokoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.