Hitohy ny fanalana mpivarotra tsy manara-dalŕna eto Antananarivo Renivohitra, saingy hiova paikady ny kaominina.
Nanomboka tamin’ny herinandro dia fomba hafa indray no nampiasaina, ka misy ny polisy manokana maka sary ireo mpivarotra tsy ara-dalàna. Rehefa azo ny sary sy ny mombamomba azy ireo dia hatolotra eny anivon’ny fitsarana ny raharaha, ka tsy ireo mpivarotra ihany no hampanantsoina eny amin’ny fampanoavana fa tsy ho afa-bela ihany koa ireo mpamatsy azy. Miara-miasa amin'ny kaominina ny eo anivon’ny Sampandraharahan'ny hetra sy ny minisiteran'ny varotra fa tsy mande irery intsony ny kaominina amin’ny fanafoanana ity sehatra tsy ara-dalàna miteraka fikorontanan’ny tanàna ity, hoy ny lefitry ny ben'ny tanàna Harison Gabriel. Nanamafy ity tompon’andraikitra ity fa efa misy ny fandaminana apetraka toy ny famindrana ireo mpivarotra eny Mahamasina, Ambohijatovo, Ambohimanarina, Antsonjombe…saingy ny finiavana hanara-dalàna no tsy misy. Tsy any amin’ny mpivarotra amoron-dalana ihany no olana fa tompon’andraikitra ihany koa ny mpanjifa izay tokony hiezaka hanara-dalàna. Rehefa miezaka ny isam-batan’olona ny hanaraka rindran-damina ka tsy mividy zavatra eny amoron-dalana, dia foana ho azy io ary hilamina ny renivohitra. Hain’ny rehetra ny manakiana sy milaza fa tsy mandray andraikitra ny manampahefana manoloana ny korontan-dava saingy tsy hain’ny isam-batan’olona kosa ny miezaka miala amin’ny fahazaran-dratsy, izay tokony hialana raha tena vonona ny handroso.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.