Actualités

Mpivarotra teny Soamandrakizay Hanadihady ny fiadidian’ny Repoblika


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Taorian’ny fitarainana nataon’ireo mpivarotra hani-masaka teny Soamandrakizay ny faran’ny herinandro teo noho ny fatiantoka nahazo azy ireo dia namaly avy hatrany ny teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika omaly.

 

 

Fantatra fa handray an-tanana ny raharaha ireto farany  ka anisan’ireny ny mahakasika ilay orinasa AB Event mpikarakara. Nomarihin’ny tompon’andraikitra fa rehefa manao varotra tahaka ireny dia mety misy zavatra tsy ampoizina foana. Ho an’ny teny Soamandrakizay dia ny rivotra sy ny vovoka no tena nanimba ny sakafo izay nomarihin’ity tompon’andraikitra ity hatrany fa loza voajanahary tsy azo nosakanana izay tsy teto an-drenivohitra irery no niaina azy fa saika tamin’ny faritra maro mihitsy. Hiroso amin’ny fanadihadiana izy ireo hahafahana mitady ny vahaolana mifandraika amin’izay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT