Actualités

MPIVAROTRA RONGONY Roalahy no niakatra fampanoavana omaly ary nampidirina am-ponja vonjimaika


  • Alakamisy 24 Martsa 2016

Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny polisy misahana ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina etsy Anosy ny fisiana mpivarotra rongony eny Ankorondrano.

Nandeha teny an-toerana ny polisy ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora ka lehilahy iray 31 taona no tratra teo am-pivarotana rongony tao an-tranony. Mbola nahatrarana 8 fonosana tany aminy. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy no nanekeny fa azy tokoa ireo rongony ireo ary eny Ampasika no hangalany izany. 10.000 Ar no ividianany ny iray sachet ka tsinjarainy amidiny 500 Ar sy 1.000 Ar ny fonosana iray arakaraka ny habeny. Nilaza ihany koa izy fa efa an-taonany maro no nanaovany ity asa ratsy ity fa izao izy vao tratra. Ny talata lasa teo ihany   tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany folakandro dia  lehilahy iray 29  taona ihany koa no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina teny amin’ny Fasan’ny karana  teo am-pivarotana rongony. Rehefa nosavaina tany aminy dia mbola nahitana fonosan-drongony miisa 101. Tamin’ny famotorana natao azy no nilazany fa eny Ambohimanarina izy  no mividy  rongony ka 10.000 Ar no ividianany ny iray sachet ary tsinjarainy amidiny 1.000 Ar ny iray fonosana. Nilaza izy fa mahalafo 10 fonosana isan’andro. Herintaona izay no nivarotany rongony. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT