Actualités

Mpivarotra fitaovam-pianarana Tsy manaiky ny famindran-toerana


  • Sabotsy 13 Aogositra 2016

Mba hahafahana mandamina ny mpivarotra etsy Analakely sy ny manodidina dia nandray fanapahan-kevitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa tsy maintsy hafindra eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo

 

 avokoa ireo mpivarotra fitaovam-pianarana rehetra etsy amin’ny pavillon Analakely sy Tsaralalana. Tafiditra ao anatin’ny asa fanadiovana ireo mpivarotra amoron-dalana tanterahin’izy ireo nanomboka afak’omaly  izany sady  hanampiana ny mpiantsena  amin’ny fitadiavana ireo karazana kojakoja ilaina  amin’ny fianarana ihany koa  tsy  hifangaro amin-javatra hafa. Nanambara anefa ireo mpivarotra voakasika fa tsy mety amin’izy ireo ny eny Ambohijatovo. “Ny eto amin’ny pavillon Analakely sy  Tsaralalana ihany no mety aminay, hoy hatrany izy ireo satria tafiditra afovoany sady toerana hifamezivezen’ny olona maro” isan’andro.  Efa nisy ny fangatahana fihaonana nataonay tamin’ireo tompon’andraikitry ny kaominina hanazavana izany saingy tsy mbola nisy  namaly izy ireo hatreto. Mba ho fanoherana io famindran-toerana io ary dia tonga nitokona nanoloana ny lapan’ny tanàna etsy Analakely izy ireo, omaly,  hetsika izay fantatra  fa tsy hijanona mandrapisian’ny fifampidinihana eo amin’ny roa tonta.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT