Actualités

Mpivarotra angady tetsy Isotry Hifindra ao amin’ny « petite vitesse » manomboka anio


  • Zoma 29 Janoary 2016

Araka ny fandaharam-potoana sy ny fifandaminana dia anio zoma maraina no hifindra toerana ary hiditra ao anatin’ny tsenan’ny petite vitesse ireo mpivarotra angady nanamorona ny araben’Isotry hatramin’izay.

 

 Manodidina ny 80 eo ho eo ireto mpivarotra ireto, ka rehefa nisy ny fifampiresahana tamin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra, roa herinandro lasa izay, dia nanaiky izy ireo fa tsy hivarotra amoron-dalana intsony fa hiditra ao anaty tsena. Mbola malalaka tsara moa ny tao amin’ny petite vitesse sady tsy dia mifanalavitra amin’Isotry nisy azy ireo teo aloha koa dia nanaiky izany fifindran-toerana izany ireto mpivarotra angady ireto. Nanamafy hatrany ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny CUA fa mitohy ny fanadiovana sy fandaminana ny renivohitra ka ny mpivarotra dia any anaty tsena no misy azy. Azo ifampiresahana sy ifandamiana ny zava-drehetra, hoy izy ireo fa ny lalàna kosa dia tsy maintsy hajaina anefa.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT