Tsy hisangy intsony ny kaominina Antananarivo Renivohitra manomboka izao.
Tsy maintsy miala avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra manerana ireo Boriborintany enina farafahatarany ny 15 martsa ho avy io. Tsy hihemotra amin’ny asa fanadiovana sy fandaminana ny tanàna efa niantsorohany intsony ny kaominina raha araka ny ambaran’ireo delegen’ny boriborintany enina hahafahana mamerina ny sehatra tsirairay avy ho amin’ny ara-dalàna. Na izany aza anefa dia tsy hanala be fahatany ireo mpivarotra fotsiny izy ireo fa mitohy ny fanisana sy ny fanangonana ny mombamomba azy ireo hahafahana mampiditra azy any anatin’ireo tsena ara-dalàna. Betsaka ireo efa miroso amin’izany ankehitriny raha mbola somary vitsivitsy teo aloha. Mitohy hatrany ny fanalana azy ireo isan’andro hamerenana indray ny hasin’Antananarivo toy ny talohan’ny taona 2009. Tsiahivina moa fa tamin’ny fitondrana tetezanamita no tena nampahazo vahana azy ireo ka na ireo mpivarotra nahazo tsena aza dia nivoaka namonjy sisin-dalana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.