Actualités

Mpivarotra amoron-dalana Miverina any anaty tsena


  • Talata 05 Janoary 2016

Araka ny efa nambara teto dia nanomboka omaly tamin’ny 5 ora maraina ny fanadiovana ny tanàna sy fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana eto Antananarivo renivohitra.

 

Niainga teny Ambohijatovo, nidina tety Analakely,Tsaralalàna nitohy teny Soarano ,Pochard sy Behoririka ny hetsika.Tazana tamin’ireo toerana ireo ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina sy ireo mpiasan’ny kaominina an-jatony ; nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpivarotra ary na dia nisy ihany aza ny tsy faly dia nanaraka ny fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana , hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny CUA raha nanontaniana omaly hariva, efa nampiomanina tamin’ny volana desamba rahateo mialoha ny nanombohan’ny Bazar de Noel ny mpivarotra fa tsy maintsy hisy ny fandaminana.

Tsena 16

Avy any amin’ireo tsena miisa 16 misy eto Antananarivo ny ankamaroan’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo ka averina haka ny toerany any hoy ny fanazavana, misy 20 ka hatramin’ny 30% n’izy ireo kosa anefa no mpivarotra vaovao mihitsy ka hikarohana vahaolana ny momba azy fa ny tanjona aloha dia any anaty tsena daholo ny mpivarotra fa tsy misy eny amoron-dalana intsony.Fomba fiasa vaovao nentin’ny kaominina ny fisian’ireo mpanara-maso (suivi et contrôle) mba hisorohana ny hoe miverina mamelatra entana ireo mpivarotra rehefa dify ny mpiasan’ny kaominina.Hitohy foana io fomba fiasa io mba handaminana ny tanàna araka ny fanazavana azo.Tsy maintsy hiitatra any amin’ny toerana hafa eto an-drenivohitra mbola ahitana mpivarotra amoron-dalana ity hetsika fanadiovana ity raha araka ny fanazavana voaray avy any amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany, tsy maintsy atao ao anatin’ny fifanajana sy ny fifampiresahana kosa anefa izany.Tanterahana fa tsy natao resabe tamin’ny propagandy fotsiny ny fanajàna ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana mba haha tsara endrika hatrany ny renivohitra, hoy ny fanazavana voaray.Ny mpividy no tokony hanatona ny mpivarotra fa tsy ny mpivarotra indray no hitady mpividy, ary izany indrindra no anton’ny namoronana ny tsena ka antenain’ny maro fa hahay hifandamina sy rehetra manoloana izao fanadiovana ny renivohitra izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT