Zary nahita asa hafa ankoatry ny varotra ireo mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra tato anatin’ny andro vitsivitsy izao ary dia lasa milahatra mihodinkodina an’Analakely sy ny manodidina ary avy eo mitokona manoloana ny lapan’ny tanàna.
Tahaka ny hita omaly, tsy mety aminay fa feno korontana ny tsena heverina hampidirana anay, hoy ny mpivarotra amoron-dalana sasany. Ao koa ny milaza fa tsy mahazo mpividy tahaka ny hitany isan’andro izy raha mihidy ao anaty tsena, misy ny velon-taraina fa mampiasa herisetra ny mpiasan’ny kaominina sasany sady mangalatra ny entan’izy ireo. Io varotra io no fitadiavanay ka aza somparana izahay fa avelao hiasa fa mamelom-bady aman-janaka. Tsy rariny fa efa tena famonoana ny vahoaka madinika izao ataon’ny kaominina anay izao, hoy koa ny sasany. Tahaka izany ny hevitr’ireto mpivarotra amoron-dalana tsy resy lahatra amin’ny fandaminan’ny CUA ka milahatra sy mitokona isan’andro. Tsy nisy fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso na fisamborana omaly. Tsy manampy ny kaominina handroaka mpivarotra izahay (emmo reg) fa kosa miaro ny vahoaka sy ny fananany ary misoroka ny mety ho fihoaram-pefy na fanararaotana, hoy ny jeneraly Florens Rakotomahanina raha nanontanian’ny mpanao gazety izy. Fehiny, tsy mety manaraka ny fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana fa manao izay tiany, tahaka ny fanjakana kely ao anaty fanjakana mihitsy. Miady irery aloha hatreto ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mbola resaky ny moana sy ny marenina anefa ity raharahan’ny mpivarotra amoron-dalana ity, tsy re feo ny fitondrana foibe. Ny atahorana, raha mitohy izao savorovoro izao, dia ho avy ny mpanararaotra ka hivadika ho resaka politika indray atsy ho atsy ny raharaha. Mandra-pahoviana ary no higrevy mitety arabe sy mitokona manoloana ny lapan’ny tanàna tahaka izao ireto mpivarotra ireto ? Tsy misy vahaolana azo ifanarahana mihitsy ve fa tsy maintsy tahaka izao no fitrangany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.