Actualités

Mpivarotra amoron-dalana Lalaovin’ny mpikarama an’ady politika


  • Zoma 07 Oktobra 2016

Niala ny sarontavan’ireo mpitarika ny hetsiky ny mpivarotra amoron-dalana omaly raha niantso olona hanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny Lapan’ny Tanŕna Analakely.

Mpitarika fikambanana sady mpikarama an’ady politika fanta-daza, ary ankehitriny lasa miara-dia amin’ny antokon’ny fitondrana, no niditra an-tsehatra omaly nanentana ireo andian’olona nidina an-danambe nanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana. Raha olon-kafa mety efa voasambotra saingy noho izy manohana ny fitondrana dia nojerem-potsiny. Maro no nahafantatra azy sy nanara-maso, ny mpanao gazety koa nipipika ny sariny tsy ankijanona, hany ka naleony nanao tari-dositra. Voa dila anefa izy dia nirava vetivety foana nanaraka azy koa ireo olona nitonona ho mpivarotra amoron-dalana ary nizotra nakany Soarano izy ireo avy eo niparitaka tsimoramora, ary tsy hita intsony avy eo. Nilaza ny teo anivon’ny fiadidian’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra fa “tsy mitsahatra manentana ny mpivarotra mba hanara-dalana” ary efa nisy ny fifampidinihana nataon’ny roa tonta mahakasika an’i Behoririka, Mahamasina, sy ny sisa…

Jean D.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT